TANTARAO ISAN'ANDRO : Ezaka fitantarana ny zavamisy eto Madagasikara na an-drenivohitra na ambanivohitra sy fanehoan-kevitra amin'ny maha-olompirenena malagasy mifanaraka amin'izany na tsia
Rohim-Bolongana
▼
9.5.12
Diam-penina
Ny tsingerina ao am-po
namelombelona fanahy
no mba entina hovakiana
Diam-penina ho anao
Ny toloko tao am-po
fa nisoko ny tsiahy
no atolotro hovakiana
Diam-penina ho anao
Ny taraina tao am-po
adintsaina voatsiahy
no tantaraina hovakiana
Diam-penina ho anao
Ny vokatry ny tao am-po
voasokitra tsinahy
noho ilay olo-tiana
Ny voatondro dia ianao.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire