Tsy vita mora ny fanompoana
hijoro ho vavolombelona
hanatanteraka ny hafatra
soa fa Jesoa no eo anoloana
Mpirahalahy ny mpinamana
mifankatia sy miara-dia
hitazonana filamatra
mahery ny fikambanana
Ny rehetra no mitambatra
tsy hisy hifandramatra
ka hiredona tsy mihambatra
Madagasikara sambatra
Koa atombohy ny asan'ise
dieny izao mbola tanora
fa ny adidy mbola be
ka tsy vita moramora
Jentilisa
desambra 1992
-42-
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire