2.6.12

Tsy ny... inona intsony

Tsy ny trerona intsony sao mampisy bodongerona
tsy ny teha-maina intsony no misolo izay tenenina
tsy ny tsongo maty intsony fa hoe tsy azo toherina
tsy ny karavasy intsony no ahainga sy averimberina


Tsy ny fehikibo intsony no mbola ampiasaina
tsy ny fampandohalehina intsony no entina mampiasa saina
tsy ny tsy-fanomezan-kanina intsony no hampangina ny taraina
tsy ny fandroahana intsony fa zavatra hafa izao no ilaina


Sanatria ve tsy azo sainina no tono-piainana ifanoroana
no zary efa mankaleo ny mandre fanatsatsoana?
Dia tafala a-nofinofy ny mahalala zotra irosoana
fa tiako koa mba hananako izay mampifikitra finoana.



Jentilisa
12 novambra 1993


-36-

Aucun commentaire: