13.6.12

Sora-kaliana

Kalio tsara ny soratr'ise
kalio tsara ho meva tarehy

Kalio tsara ny soratr'ise
na dia badalela aza
ny endri-tsoratra soa ho tavela
kalio tsara ho meva tarehy
fa raha atao kitoatoa
manjary ratsy noho ny rangotr'akoho

Kalio tsara ny soratr'ise
ny sora-kaliana mora vakiana
mora iverenana sy mahavariana
kalio tsara ho meva tarehy
ny sora-kaliana toa sary mirindra
lova mipetraka mba tsara indrindra

Kalio tsara ny soratr'ise
kalio tsara ho meva tarehy



Jentilisa
2 jona 1993


-47-

Aucun commentaire: