20.6.12

Rehefa misy ny tigetra

Raha lalan-davitra no aleha
na oviana na oviana
dia etsy kely ange
Ô! aza asiana fanahiana

Rehefa tsy eo koa aho
fa mbola lasana any ho any
dia miangavy re ka mitalaho
Ô! aza ratsy faminany

Ilay kolokolo sy maoraly
aza adera ampitahorana
ka nony injay natotaly
niofo izany, nampanondrana

Fa mpifandray am-po sy saina
mahatà-tsiambaratelo
no tadiavinay sy ilaina
ilazana ny alahelo

Fa sarobidy tokoa ny teny
misy anatra madinika
avy amin'ny ray sy reny
ao anaty dinidinika

Saingy rehefa misy ny tigetra
mametra izay himasoana
ananan'ny tanora rehetra
aoka re tsy hotsatsoina

Efa vitako voady tety
fa na ho osa na ho soa
dia ataoko ho sanatria
ny handraraka ilo mby an-doha


Jentilisa
8 feboary 1994


-54-


Aucun commentaire: