Raha naloa fa tsy lany
ka hitrebona an-tany
mbola hamoa
Raha natsipy ho very
dia iny nohitsahina
ka hamerovero
Alevinareo
mbola miotrika
ho masaka tsara
Tsy resy tsy akory
miondrika fotsiny
ho fanajana
Fa raha hitodi-doha
hahazo ny laka
ka tsy ho toha.
Jentilisa
7 jona 1993
-39-
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire