7.6.12

Isika rehetra

Isika rehetra
ho toy ny tafika
tsy hisy hivadika
ho kely ila

Isika rehetra
tsy halemy
anaty memy
mampivaralila

Isika rehetra
tsy ho resy
tsy ho letran'ny
fanesoana

Isika rehetra
tsy hiroboka
hidoboka
anaty fahalotoana

isika rehetra
mila hery
hahay hijery
ny anoloana

Rosoy ny dia
fa ny fijoroana
hampandrosoana
ny any sy ny aty.


Jentilisa
28 janoary 1993


-41-

Aucun commentaire: