15.6.12

Inty Aho Ry Tiako

Inty aho ry tiako
ilay jonitra teo soloy tsiky
F'atokako ho anao irery
izao fotoana izao

Inty aho ry tiako
fihino mafy fa mangatsiaka
mba tsy ho very
ny ora iarahako aminao

Inty aho ry tiako
soa fa tafaraka indray isika
fandrao manko dia banga...
ambiroa mitady hiala

Inty aho ry tiako
ny mifankahita no hany majika
indro lasa lanitra manga
ilay aizim-pito nanadala

Handeha indray aho ry tiako
Nefa aza tomany
hihaona ihany
tsy ho ela indray dia hifankahita


Jentilisa
20 septambra 1993


-49-

Aucun commentaire: