25.6.12

Hiaka

Aorian'ny mivaivay
fisedrana mahamay
no hajoronay
fiaraha-monina ialan-draorao

Ny fihafiana sy fijaliana
tsy adinoina na ariana
fa ireo no itokiana
ho voavonjy izahay izao

Ny hamohafoha ny lasa
no hamelona kinasa
ifidianana lahasa
hahavanona ny atao

Mijoroa ka mandroso
hitondra ny faneva soa
mazotoa amin-hitsim-po
hampijoro fiainam-baovao


Jentilisa
jona 1991


-59-

Aucun commentaire: