30.6.12

Dò-Panoto

Avy any an-tendrombohitra any no miboika ny loharano
Fa ny hiafaran'izany na ho very an-dranomasi-tsi-hita lany
na ho voavily ihany ka hankao an-dobo manganohano
mba hahatamàna sy hanome aina izay rehetra mila izany.

Fa raha ny fo no mitempo mafy manambaka dò-panoto an-daona
sy hanorotoro ireo tavela ao anaty ka naharîtra ny fotoana
ary manasafotofoto ny efa fotsy mba hihoatra ho very foana
tsaroako a amin'izay fotoana izay ny adin-tsaiko sisa no manoloana ahy.


Jentilisa
26 mey 1993

-64-

Aucun commentaire: