28.5.12

Mitady anao

Tratry ny aloka
maizi-tsy sazoka
toa kibay no midaboka
amparahatoka


Vata-mangovitra
nofo mari-koditra
sy fanahy rovidrovitra
no mihovitrovitra


Nefa manam-pinoana
fa misy fotoana
ho tafarina foana
mba hitady anao


Jentilisa
11 novambra 1993


-31-

Aucun commentaire: