1.5.12

Ezaka

        Samy maso mijery
        ny fivoarana
        tian-kihoarana
        saingy toa mihavery
        ny tomba-pananana
        izay nisasarana
Laviko kosa raha mbola hitoretra
ny hioitra manko tsy vitan'ny tsetra


        Samy sofi-mandre
        tsy hanaiky ho mpanaraka
        fa mba hiavaka
        ka ny enta-nafehy
        ilay hevitra tapaka
        handà raha hangataka
Hilefitra ve ka hiankin-doha
Hisolelaka ve vao hahazo ny soa?


        Ny saina nomena
        hisafidy ny tsara
        sy enti-mikaroka ny lavorary
        ny herin'ny tena
        ho enti-mihary
        fehezina mihitsy tsy ho mora farary
Ka ho reraka ihany raha mitandrevaka
fa hisondrotra kosa rehefa miezaka.


Jentilisa
16 marsa 1994

Aucun commentaire: