9.5.12

Diam-penina


Ny tsingerina ao am-po
namelombelona fanahy
no mba entina hovakiana
Diam-penina ho anao


Ny toloko tao am-po
fa nisoko ny tsiahy
no atolotro hovakiana
Diam-penina ho anao


Ny taraina tao am-po
adintsaina voatsiahy
no tantaraina hovakiana
Diam-penina ho anao


Ny vokatry ny tao am-po
voasokitra tsinahy
noho ilay olo-tiana
Ny voatondro dia ianao.


Jentilisa
12 oktobra 1993

-9-

Aucun commentaire: