7.12.11

Olom-boatendry Mifampifidy?

Dia variana amin'ny fihetsiketsehana tokoa ny olona fa dia fifidianana sarintsariny no natao dia tahaka ireny hoe nisy fifidianana tena izy ireny tokoa tao amin'ny kongresin'ny tetezamita tao. Olomboatendry ranoiray no any amin'ireny lazaina ho kongresy sy Filankevitra rehetra ireny ka tsy dia misy dikany loatra sady tsy maneho ny endrika demokratika velively ny fifidianana birao sy filoha any amin'ireny andrim-panjakana ireny. Mbola endrika fitaka iray hafa ihany koa no nolalaovina teo anatrehan'ny vahoaka.

Ka iza sy iza avy no tiana hofitahana amin'ny resaka fifidianana tahaka ireny? Inona ny fifanarahana vita tany ambadika tany tamin'ireo antokon'olona nifidy an'i Mamy Rakotoarivelo? Sa karazandrazan'ny tohin'ny soridalana vita tany an-drenivohitry ny tany Afrikana taloha ireny ihany dia mba omena fahafaham-po kely tao anaty faharesena ny ankolafy Ravalomanana? Ny Malagasy sy ny Fiarahamonina Iraisampirenena izany no tadiavina fitahina ilazana fa efa tena mandeha tokoa ny marimaritra iraisana sy ny fiaraha-mitantana? Tsy nisy fifidianana avy amin'ny vahoaka ny nahatongavan'ireo olona ireo tao ka tsy misy dikany koa noho izany ny sarintsarim-pifidianana atao ao anatiny. Sa ireo olona rehetra anaty andrim-panjakana ireo izany no atao hoe fahefana? Nefa tsy avy amin'ny vahoaka ianareo na inona na inona filazanareo an!

Aucun commentaire: