7.11.11

Famotehana sy Fanakanana izay Hanorina



Ezahina hatrany ny mampita izay azo ampitaina hapetraka ho tantara avy amin'ny fomba fihevitry ny tsirairay nandritra izao vanim-potoana izao. Misy izy ireny raha henoina mampihomehy, saingy mampatahotra indrindra rehefa fantatra fa olona lazaina ho mpamakafaka amina haino aman-jery no milaza azy amin'ny mpihaino. Tsy tsapany angamba fa miteniteny foana izy... raha ny fomba fijeriko azy aloha!

Ny andron'ny fiandrasana ny fanendrena praiminisitra. Nitaintaina avokoa ny rehetra, ary nilaza ranamana fa hafahafa ihany raha ora vitsivitsy mialoha ny fanendrena no mbola tsy azo verika mihitsy izay hotendrena. Eo amin'ny sehatry ny fanaovan-gazety izay misy azy dia marina izay filaza izay. Fa ny nanahirana ny nihaino azy dia ity. Tsy eken'ny sainy mihitsy raha olona avy ao amin'ny ankolafy Ravalomanana no voatendry. Manjary hiverina indray ny Silo ao Toamasina, hoy izy, manjary hiodina indray ny tiko sy ny magro. Tena nihomehy valaka aho nandre ilay izy nefa niakatra tsimoramora ihany koa ny fahatezerana.

Fa tsy mahazo mampiasa vola eto Madagasikara mihitsy ve izany ny Malagasy no izany no fomba fiteny? Amin'izao fotoana izao: ampihimamban'ny karana ny zavatra ilaina andavanandro eto Madagasikara. Aiza ho aiza ny vidin-javatra amin'izao fotoana izao? Manao ahoana ihany koa ny kalitaon'ireo entana afarana rehetra ireo? Moa va mba misy mahatoraka izay nopotehina sy norobaina? Tsy mahagaga isika Malagasy raha tsy mety tafarina fa izay miezaka sy manatsara ka mahomby amin'izany aza moa potehina ary sakanana.

Efa ampy izay nanapotehana sy nandrobana ny fananana Malagasy izay. Efa noezahina ihany ny nanadino azy. Fa ilay fisainana hanakana izay fampiasam-bola Malagasy izay, satria mahita ny lalam-bola karana no tena tsy lefitro. Natao hiankina amin'izay avoakan'ny karana ve ny mpamongady malagasy? Tsy sanatria tsy fitiavana karana no mahatonga ahy hanoratra fa ilay fomba fisaina hoe malagasy tsy mahazo mampiasa vola eto Madagasikara no tena nahaletra. Tsy mahagaga raha tsy mety mahaleo tena ara-toekarena isika fa tsy mety manana fisainana handraharaha eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ankoatra ny fanondranana andramena.



Efa tsy nilaza ilay hoe fa dia nahoana moa no nasaina nanatitra dosie ny ankolafy Ravalomanana nefa, raha ny fomba fihevitr'ity lazaina ho mpamakafaka sady mpanao gazety ity, tsy horaisina ny avy any aminy, izay endrika fanavakavahana sy tsy fahavononana hahazaka ny hafa, intsony moa aho amin'izany. Tena mbola lavitra izany lalana izany.

Aucun commentaire: