7.4.07

Tamin'ny katolika iray

Nambara nanerana ny fiangonana Katolika manerana an’i Madagasikara ilay fanambaran’ny eveka nalaza iny tamin’ny alahady teo. Nilaza ary ity namako fa nisy fintraikany lehibe tamin’ny mpiangona ilay fanambarana fa tsy nandeha goana fotsiny tamin’izao. Tena tao anatin’ny fotoana fiomanana ho amin’ny fifidianana mihitsy moa ilay izy ka nahatonga ny maro tamin’ny katolika nisalasala indray tamin’ny safidiny teo ary ho an’izay nikasa hanao eny indrindra indrindra. Nilaza ilay namako fa na lasa nanao tsia ilay olona na tsy nifidy tsotra izao.

Somary variana ihany aho tamin’ny fanazavana saingy hita tokoa aloha fa nihena be dia be ny mpifidy an-tanan-dehibe. Izany hoe mbola manana ny fahefany tokoa ny mpitondra fivavahana ho an’ny mpino katolika na andeha atao hoe inoan’ny olona kokoa amin’ny teniny. Ny tena fatratra dia ireo nahay nanitatra avy teny amin’ny resaka antsisitsisiny teny ka nilaza hoe afaka mijanona mandrapahafaty eo amin’ny fitondrana ny filoha raha vao lany io lalampanorenana io. Niteny avy hatrany moa aho tamin’izay hoe mba diso kosa aloha izay teny izay. Dia nanamafy tokoa aloha izy fa mila fandinihana lalina io lalam-panorenana io fa tsy tokony nirotorotoana sahala amin’izao.

Izaho kosa tetsy ankilan’izany dia namakafaka madinika indray amin’izay ambadik’ilay fanambarana naely tamin’ny fiangonana rehetra. Marihina fa nanao fanambarana toy izany ihany koa ny fiangonana fjkm saingy famporisihana hifidy ihany no nataony satria adidy amin’ny mahaolompirenena izany araka ny fanambarana. Tsy nisy resaka loatra na adihevitra loatra io « fanambarana protestanta » io. Ny sehatra eo amin’ny politika no nojereko.

Iaraha-mahita fa tsy manana « anjara toerana » ambony ny katolika amin’izao fotoana izao ary noheveriko fa ny nahatafiditra an’Atoa Patrick Ramiaramanana ho minisitra dia noho ny fitsidihan’ny vondrona katolika talohan’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta indrindra. Dia nieritreritra aho fa te-hampiseho ny heriny sy ny tanjany ihany koa ny fivondronamben’ny eveka tamin’ny fanambarana indrindra izy naely tamin’ny fiangonana. Mety ho izay no nampandresy ny tsia tamin’ireo renivohi-paritany indrindra indrindra ankoatra an’Antananarivo moa mazava loatra.

Ny olona mpanara-baovao rehefa amin’ny fotoana sahala amin’izao dia ny renivohi-paritany ihany no tarafiny amin’ny vokatra ka iny no heveriny ho safidin’ny olona nandia fianarana. Koa raha nifanintsana teo ny eny sy ny tsia na tena kely nanerana ny firenena ireo tonga nifidy dia heveriko fa voatery tsy maintsy nanendry praiminisitra avy amin’ny finoana katolika ny filoha. Amin’izao fotoana izao anefa toa sarotra inoana ihany aloha ny hahatonga ny filoha hanao izay fihetsika izay nefa samy miandry ny tohiny ny rehetra aloha !

Aucun commentaire: