2.4.07

Ny eny sa tsia?

Politika indray aloha no resahina eto. Ity andro ity sisa manko no tena azo iresahana izay safidin’ny tsirairay. Azo lazaina fa tsy naresaka mihitsy aloha ity resaka fitsapa-kevi-bahoaka ity raha tsy ny andro androany ihany. Ny hita dia ifandroritana ilay fomba filazan’ny fivondronam-ben’ny Eveka momba ity 4 avrily ity. Filazana milaza fa aloha loatra tsy ao anatin’ny fotoana tokony hanatanterahana azy ity fiantsoana ny olona hanaiky na handa ny volavolam-panitsiana ny andininy sasany ao amin’ny lalam-panorenana ity.

Araka ny nolazaiko moa dia androany ihany no mba nafana ny adi-hevitra tamin’ny alalan’ny fandaharana karajia ifampitafan’ny samy mpihaino. Ny tao amin’ny kidaona maraina moa dia tsy nanaiky hisian’ny adi-hevitra hampifidy ny eny na ny tsia mihitsy. Mbola voan’ny karajia indray aloha ry zalahy tamin’ity indray mitoraka ity raha ny fahamatoaran’ny resaka ny sy ny fahalalahana kokoa ao anatin’ny resaka. Tena io adi-hevitra io izany no nibahan-toerana nandritra ny fandaharana ora iray teo ho eo. Atao hoe sady voalohany no farany satria rahampitso dia tsy tokony hanao na inona na inona intsony.

Mba nisy ihany ny zavatra voamariko nandritra ny fampielezan-kevitra. Ohatra tamin’ny fahatongavan’ny vary tao Toamasina dia tsy menatra nitondra ny marika ENY teny amin’ny akanjony ny Praiminisitra sady minisitry ny atitany. Rangahy io anefa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fandatsaham-bato eto amin’ny firenena. Efa nanontaniako ihany moa io zavatra io fa tsy azoko hatramin’izao na mety ilay fithetsika na tsia…na ho an’ny praiminisitra io na ho an’ny lehiben’ny fokontany.

Manaraka izany indray dia nambosaka izay fiheverany ny amin’ny zavatra miova ao anatin’ny lalam-panorenana ny teknisiana mirahalahy tao anatin’ny komity namolavola io fanitsiana io dia Atoa Honoré Rakotomanana sy Atoa Jean Eric Rakotoarisoa. Mazava loatra fa tsy maintsy voaresaka tao ireo miteraka adi-hevitra tany amin’ny mpanara-baovao politika eto an-toerana. Tao amin’ny fandaharana « l’interview » tao amin’ny televiziona rta moa no nisian’ny resaka.

Voaresaka tao ary ny amin’ny tsy amin’ny fahazoana mitokona nefa tsy maintsy hajaina ny fampandehanana ny raharaham-bahoaka. Tsy voahitsakitsaka ve ny fahazoana mitokona ao anatin’izany ? hoy ny mpanontany. Namaly ary Atoa JER fa noho ny toe-java-misy tamin’ny taona 1991 sy 2002 indrindra no anton’io fanitsiana io. Afaka mitokona ny mpiasa raha misy ny zavatra tsy mahafaly azy fa ny olona dia ilay fironana ho amin’ny fitokonana tsy manam-petra. Enimbolana nitokonana nandray karama ny mpiasam-panjakana, hoy ny tenany ka tsara kokoa raha atao anatin’ny fifampifehezana ny fitokonana fa tsy hanao izao fitokonana lavareny tsy fanta-piafarana izao. Efa hita rahateo nataon’ny mpampianatra teny amin’ny Anjerimanontolo sy ny mpitsara ihany koa io fitokonana io nandritra ny fe-potoana voalohany nitondran’ny filoha Ravalomanana.

Manaraka izany indray ny amin’ny faritany mizaka tena. Ny olana hatramin’izay, hoy ny mpandahatra dia ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana mihitsy. Nandritra ny fotoana nijoroan’ny lalam-panorenana voahitsy fanindroany iny anie ka tsy hita mihitsy ny fanapariaham-pahefana. Vao nisy iny olan’ny 2001 iny dia ny fisitahan’ny faritany ho firenena « mahaleo tena » iny indray no hita. Somary fohifohy ihany ilay fandaharana nefa dia tsy tsaroako loatra koa ny votoatin-dresaka maro noho ny fikarakarana zavatra nandritra ny fotoana nandehanany.

Fanamarihana : raha ny tokony ho izy dia namoaka lahatsoratra aho ny zoma sy ny sabotsy lasa teo. Tsy nahasokatra ny blaogiko mihitsy anefa aho ka voatery androany vao namoaka indray. Efa misy lahatsoratra hafa vonona fa noho ny fotoana dia io aloha no navoaka. Tsy mahazo maika mihitsy rehefa blogger ny tokontany ilalaovana, izay no nahavoa ahy. Raha mbola tsy feno manko ny endrika tokony asehony rehetra nefa ianao maika hanao « mot de passe » hiditra dia mitokona tsy mety hisokatra mandritra ny andro ny blogger. Karazany voasazy aho izany nandritra ny roa andro nolazaiko teo ka ialana tsiny amin’ny mpamaky indrindra.

Aucun commentaire: