16.2.07

mpanelingelina

Efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny fihavian’ny orana isan’andro ara-bakinteny eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Na ahoana dia mamela takaitra ilay firotsahana tsy misy fiafarany. Ny foto-drafitr’asa no tena iharam-pahavoazana indrindra. Mamelona ny rano nefa rehefa be loatra dia mamono indray.

Nanapa-kevitra ny kaominin’Antananarivo fa tapahina ny lalana eny amin’ny 67ha Avaratra Andrefana mifanolotra amin’ny fokontanin’Ankasina. Hametrahana ny tra-boina no antony. Difotra tanteraka tokoa ny toerana misy ireto tra-boina ireto. Efa tsara rehefa tsy ny sekoly no lasa mikantona tsy fidiny hametrahana azy ireo. Marina fa tsizarizary ny tranolay nefa tsy maintsy samy miaritra daholo ihany. Mifampizaka eo aloha indrindra fa eo amin’ny lafiny fahaporetana. Feno bibilava kely mpandeha eny amin’ny tanimbary manko ny tranolain’ireto tra-boina ireto teny amin’ny tanimalalaka nametrahana azy voalohany ka nitarainana tamin’ny tompon’andraikitra mihitsy.

Fa efa eo andalam-panarenana, andalam-panamboarana ny lalana simba ihany koa ny kaominina. Eo indrindra isika vao miditra amin’ny resaka araka ny lohateny. Mahafinaritra rehefa mandray andraikitra amin’ny fanamboarana. Mampalahelo kosa raha atao karazana gafy ilay fanamboarana. Isany tena mizaka ny mafy tokoa iny lalana Ambohitrarahaba Analamahitsy amin’ny ilany avaratr’Antananarivo iny. Amin’ny mahalalana tokana tsy maintsy andehanan’ny rehetra azy mihitsy no olana. Tena marina fa simba ny lalana ary mila fanamboarana. Ny fotoana anamboarana azy no diso ka mampitaraina ny olona mpampiasa iny lalana iny.

Androany maraina, zoma, fanaovan’ny mpianatra fanadinana indrindra mialoha ny fialantsasatra talata matavy ary amin’ny ora fandehanan’ny mpianatra sy ny mpiasa ary mpampiasa lalana amin’ny ankapobeny mihitsy no tapahiny ny lalana. Gaga sady sorena ny rehetra. Adiny iray sy sasany mbola mikatso any. Mitaintaina tsy fidiny noho ny fanadinana tsy maintsy atrehina. Hanana fialantsiny azon’ny sekoly ekena amin’ny fahatarana ve? Nahoana, hoy ny mpampiasa lalana raha amin’ny alina na amin’ny faran’ny herinandro? Amin’ny fotoana tsy dia isian’ny fifamoivoizana loatra fa tsy eo amin’ny mahabe olona indrindra? Marihina tokoa fa dia lalana tsy maintsy aleha izy io fa tsy mba manana fivilian-dalana ahafahana mamonjy ny toeran-kaleha. Lesoka lehibe dia lehibe amin’ny foto-drazfitr’asa eto an-tanàna moa io tsy fahampian’ny lalana io sy ny fahatereny ihany koa moa etsy andanin’izany.

Aucun commentaire: