10.8.06

15 taona izay ny 10 aogositra 1991

Feno 15 taona androany tokoa ilay diaben’ny fahafahana niainga avy teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ka tapaka nanoloana ny lapam-panjakana teny Iavoloha. Sahabo 12 kilaometatra eo ho eo izany halavirana izany izay marihina fa notontosaina an-tongotra avokoa. Olona an-hetsiny ny namakivaky iny lalam-pirenena faha7 iny vao maraina. Nisatroka kasikety sy nivimbina akanjo maivana sy sakafo azo entina toy izany ihany koa.
 
Efa nitaintaina ny maro tamin'ity andro ity. Andro vitsivitsy mialoha ity diabe ity manko dia heverina fa nitovitovy tamin'ny tao an-trano avokoa ny tany an-tokatranon'ireo nandray anjara tamin'ny fandravana ny mandan'i Jerikô. Nifamaly ny mpivady, ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny mpinamana na ny mpifankatia ny amin'ny tokony handehanana na tsia. Mahatsapa avokoa ny rehefa fa ity no tena andro sarotra indrindra tamin'ny tolona nodiavina rehetra. Roa andro mialoha dia nandà tanteraka ny amin'ny handehanana any ny raiko. Ny reniko kosa niteny fa toy ny mivadika amin'ny mpiara-mitolona izy raha amin'io andro io indray vao mijanona. Nahare ihany koa anefa aho any an-kafa fa nisy fifamaliana tahaka izany tany amin-dry zareo.
 
Rehefa tonga anefa ilay andro dia tsy fantatro fa niova hevitra tampoka teo ny raiko. Namela indray izy izay te-handeha. Izaho sy ny reniko ihany no nandeha ny tao an-trano fa nisy zanak'anabavin'i dada mirahalahy avy any Antsirabe ihany koa tonga teto Antananarivo noho io diaben'ny fahafahana io fotsiny. Efa-mianaka izany izahay no niainga avy ao an-trano. Feno hafatrafatra niala ny trano. Na dia efa fantatra mialoha aza izay mety hitranga dia miramirana hatrany namonjy an'Analakely amin'ny fiakanjo handeha hitsangatsangana.
 
Rehefa tonga teo Analakely, tsindrian-daona avokoa ny rehetra. Tsy misy maheno izay kabarin'i Voaibe izany intsony fa ny handeha ihany no masaka ao an-doha. Efa velona ny hirahira. Noho izaho mbola tao anatin'ny fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika dia tsy nanana namana na fikambanana iaraha-mandeha loatra aho. Ny tany amin'ny iray asa amin'ny reniko noho izany no nandehanako sady izaho ihany koa no tsy maintsy miahy azy amin'ny dia izay hatao. Ho lavitra ny lalana saingy toa tsy ketraka mialoha tamin'izany ny rehetra indrindra fa ny vehivavy.
 
Natao tamin'izay ny fifandaminana ka ny Reny Hery Velona no natao hitari-dalana. Ny vehivavy mba hilazana fa hifampidinika no handehanana any fa tsy hanongana hiady. Hametraka ny petra-kevitra ny amin'ny tokony hialan'ny filoha nitondra tamin'izany fotoana izany. Izay vao manaraka ny sokajin'asa sy fikambanana hafa rehetra. Raha ny tokony ho izy dia anisan'ny nialoha lalana nanaraka ny Reny Hery Velona ny sokajin'asa nisy ny reniko saingy tsy nety handeha mialoha izy. Naleony tany amin'ny faramparany ihany araka izay azo atao. Na izany aza dia 150 metatra niala ny lohany no nisy anay rehefa tonga teo amin'ny barazy voalohany teo Ankadimbahoaka izahay.
 
Teo Ankadimbahoaka no nisy ny sakana avy amin'ny mpitandro ny filaminana voalohany. Raha mbola nifampiraharaha teo ny mpitarika (Razafindramiandra Moks raha tsy diso aho) sy ny mpitandro ny filaminana dia iny ny angidim-by iray avy eny Iavoloha nitsirika ireto vahoaka be sy ny habetsahany angamba. Horaka ny an'ny olona nihevitra hoe fa handositra angaha? Nilaza ary ny mpitandro ny filaminana fa hatreo ny anjara asan'izy ireo fa raha mihoatra io lalamby io ny mpilahatra dia efa samy tompon'andraikitra amin'ny tenany.
Tampotampoka teo, indreny nisy andian-jatovo nitoraka sy nihazakazaka nandrava ny sakana. Tsy naka sarotra ireto miaramila sady tsy te-haratra fa nosokafany nidanadana ny lalana. Niezaka ihany ingahy mpitarika nibaiko ireo zatovo ireo hiverina no sady nilaza fa tsy mety ny ataony fa lasa ihany izao. Nizotra indray ny dia arahin-kira moa mazava loatra. Hiram-pivavahana kristiana avokoa no natao. Nafana dia nafana ny andro ka maro ireo tokantrano teny an-dalana no nanondraka rano ny mpanao diabe. Izahay kosa manalavitra ny lohany hatrany. Any amin'ny 500 metatra na 1 kilaometatra miala ny lohany no misy anay nefa ny any aoriana dia tsy hita mihitsy ny farany.
 
Teny akaikin'ny Magasin M taloha teo Tanjombato izahay no nosongonan'ny Pasitera mpitari-tolona. Notehafan'ny rehetra moa izy tamin'izay satria mbola natoky azy ny maro tamin'izany fotoana izany. Indraindray izahay no mitsirika mijery ny any aloha sy mijery ny afara indrindra fa rehefa mba mahazo tampon-dalana. Tsy hita intsony na ny mpitarika ny dia any aloha na ny mpamarana ny dia any aoriana. Tsy mbola nisy tahaka izany aloha talohan'izany fotoana izany.
 
Tafajanona indray ny dia rehefa teo akakin'ny sampanan-dalana ho any Ambohijanaka misy ny faran'ny zotra fitateram-bahoaka iny indrindra izahay (tsenan'Andoharanofotsy). Izany hoe afaka metatra vitsivitsy avy teo. Tafajanona ny dia. Tsy nahita izay nitranga tany aloha tany izahay. Iny indray ilay angidim-by fa nandalo teo amboninay. Rehefa niverina nahita ny halavan'ny filaharana angaha izy dia nandatsaka ny mananasy mamono amin'izay. Satria moa hita ny fandatsahany ireo mananasy ireo dia natao izay nialana azy haingana.
 
Teo no nanomboka nisaritaka ny olona. Nisy ny namonjy nidina teny an-tanimbary. Mbola tsy nihevitra ny hiverina loatra ny olona tamin'izay fa nanao fialana fotsiny. Kanjo tampotampoka teo injay ny feom-basy nitatatata tany ho any. Mbola "miaramila" aho tamin'izany ka haiko tsara ny atao hoe feom-basy sady tsy mila fahaizana be vao mahalala ny feony. Izay vao nanomboka nisaritaka tanteraka ny olona. Indreny koa fiara maromaro niverina feno maratra avy tany alohaloha tany. Rapa tanteraka ireo olona ireo. Ra fotsiny no nameno ny tenan'izy ireo manontolo. Tena nihosona tanteraka. Sady tena tezitra ny olona no nitodi-doha niverina. Ilay angidim-by ihany koa tsy nitsahatra niverimberina.
 
Ny nahagaga ahy dia izay toerana rehetra avy nidifianay dia nilatsahan'ny mananasy avokoa. Tahaka ireny hoe noenjehina manokana ireny i jentilisa sy ny fianakaviana kely nandeha tany (izany hoe matotra tanteraka ny paikady famoretana). Niteny ny reniko ny tsy hanarahana arabe intsony, nanaiky aho tamin'ny voalohany fa avy eo hitako fa ny niala arabe aza no tena nisy nanenjika. Izay nahazoana arabe indray no noezahina. Efa ho atsasa-kilaometatra niala izany arabe izany anefa no nisy anay. Endrika vinitra sy tezitra, nalahelo nahita ireo maratra no hitanao eran'ny lalana. Nisinisy amin'izay ireo lehilahy nitaky fitaovam-piadiana fa hoe tsy rariny izao. Tsy nahita izay Antandroy izahay fa ny oronantsary no nahitanay azy ireny. Ny hitanay koa dia nisy ireo nihazakazaka teny an-tanimbary no tratran'ny "vanja milevina" ka napoakany mihitsy. Hitako maso kosa io.
 
Tsy tadidy intsony na efa nohanina na tsia ny sakafo maivana nentina fa ny lalana mody no nasiana olona. Ozona tsy ozona no nataon'ny olona. Noho ny famonjena aina ve fa na dia hantsana heverina ho tsy ho voatsambikina amin'ny fotoana mahazatra izao aza dia vita. Toy ny tsy lavitra izany ny lalam-piverenana. Dia maika no nataon'ny olona nanaraka arabe fa tsy nisy loatra izany hazakazaka izany.
 
Teo Ankadimbahoaka no betsaka indrindra ny mpitsena ireo mpanao diabe. Tsy nisy nahatombina tany amin'ny toerana nisy azy intsony ireo izay tsy nandeha tany amin'ny diabe. Nipenipenina nitady ny havany avokoa ny rehetra na mpanohana na mpanohitra ny fitondrana. Iza tokoa no tsy manan-kavana nandeha tamin'io Diabe io raha ny teto Antananarivo indrindra indrindra? Feno olona ny hopitaly sy ny tranom-paty sao dia misy olom-pantany any ho any. Na ahoana tokoa manko na ahoana, na inona tsy fitovian-kevitra na inona ny olombelona tsy maintsy miahy ny amin'ny havany hatrany.
 
Noho ny olo-maro niara-dia angaha fa vita tsy naharenesana havizanana ny dia. Na dia ireny olona efa antitra sy tena fotsy volo ireny aza dia tonga soa aman-tsara tany an-tranony ihany. Tahaka izany i "Bebe" izay olona tsy fantatra fa teo no nanomboka nahalalako azy. Anisan'ny Reny Hery Velona izy. Ireo tena nitari-dalana ihany koa. Nilaza izy fa tena tsy nahahetsika tamin'ny "fiarovan'ny mpiandry ny lapa" ka toy ny babo mihitsy aza, fa noho ireto miaramila nahita fa sady vehivavy izy ireo no sady antitra rahateo dia navelany handeha hody ry zareo. Asa nahatsiaro nahita ny reniny kosa angaha ny miaramila ka antra ireo vaviantitra ireo. Nofeperany anefa ry "Bebe" tsy hiteniteny izany. Na izany na tsy izany dia hitan'i " Bebe" kosa ny maro tamin'ny zava-nitranga.
 
Tonga tany an-trano tsy nisy maratra izahay efa-mianaka niainga maraina. Tsy tao an-trano intsony i Dada fa efa nijerijery tany amin'ny toerana rehetra mety ho azo nijerena anay. Tsy mbola nisy ny finday tamin'izany fotoana izany ifampitana vaovao. Avy eo moa dia nandeha nankeny Analakely ihany aho hihaino izay vaovao farany. Rehefa tonga ny alina dia mbola nihaino izay holazain'ny tele Iavoloha ihany ny maro toy ireny mbola haka fahasorenana ireny ihany. Mbola nidehadehaka manko ny anao lahy tao anaty vaovao tao. Soa ihany, hoy izy fa tsy nahazo ny tetezana ny "mpanafika niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana ( ny baiboly sy fihirana angamba no tiany holazaina)" fa raha tsy izany dia mbola ho ra nandriaka bebe kokoa noho iny no nitranga. Fomba fiteny kosa re izany!
 
Izay sy izay raha atao ambangovangony ny niainanay tamin'iny 10 Aogositra 1991 iny. Dia mamerina ny fiaraha-miory tamin'ireo izay niharam-boina sy nanana ny maty hatrany aho.

Aucun commentaire: