24.12.15

Isaia 8:21 _ 9:6

(Fanamarihana: Ity tononkalo ity dia nosainina hanaovana fihetsika mirindra ka misy paika arahina, ireny tarehimarika ireny dia mari-piatoana manisa ao anaty)

Indreny izy rehetra fa mijaingijaingy (5)
voagejan'ny tsy fananana na inona na inona (2)
sy ny hanoanana mianjady ka sahirana mitady (3)
Mikarokaroka etsy sy eroa? (2)
Sakafo no tadiaviny
mitsindroka anefa tsy mahita harapaka
Sosotra amin'ny tsy fahitana hanina
dia nanandratra ny lohany tsimoramora
toa mitaraina nefa manome tsiny
ny mpitondrany sy Andriamaniny mihitsy aza.

Dia nanondrika ny lohany
Feno fahakiviana, mahatsiaro fanina,
ketraka tanteraka
difotry ny henatra ka ny loha no saronana
Eny, ny fahadisoam-panantenany tena lalina dia lalina
Aizina mandifotra
Nefa (3) ... NEFA (4)
Moa va dia avela ho rendrika ao anatin'ny
fahafaham-baraka izy ireo?
Tsy efa ampy ve izay fotoana nierena lavabe izay?
    Atrakao ny loha
    Miarena
    Mijoroa
    Fa avy ho anao ny famonjena

Indreo ny olona mandeha tanatin'izany aizina izany
fa mahita mazava lehibe
Nokosehiny ny masony
ny mazava tokoa va re?
Eny! Nitaratra sy namirapiratra tamin'ireo
nonina tambanin'ny aloka mampahaketraka ny fahazavana.

Nakarin'izy ireo ny tanany migadra
narosony hianohany ilay ery alohany
Ka nivaha ny fatorana
Nivaha hoe?
Hamarino tsara e!
Eny! nivaha, afaka izy, Afaka!

Tompo ô! Navelanao ho mirana ihany izy ireo
indreo mifampiarahaba fa nahazo fitahiana
Dia velona ny horaka
Raikitra ny hoby.

...   ...   ...

Fa zaza no teraka ho antsika
Zazalahy no omena antsika
nomena hiantsorohany ny fahefana
Zary anarana fiantso Azy mihitsy ny hoe:
    Mpanoro hevitra igagàna
    Andriamanitra mahery
    Mpiahy mandrakizay
    Mpandova hitondra filaminana
Ary hanitatra tsy an-kijanona
ny ambaindain'ny fiandrianan'i Davida Izy.

Dia hiantoka ny fahamarinana
sy ny rariny ao amin'ny fanjakany
mba hiadanan'ny vahoakany kosa Izy,
manomboka izao ka ho mandrakizay.
Tenin'ny Tompo ampoky ny fitiavana izany
ka hotaterahiny.


Jentilisa 17 desambra 1996

Aucun commentaire: