6.3.13

Ny fifehezan-tena

Andry iankinan'ny fanabeazana
Ho antoky ny famirapiratan'ny fiainana manontolo
     Ny fifehezan-tena


Tsy fampijaliana tsy misy antony fa fisedrana
     Manana ny fiavahany amin'ny fanaziogana
     Manana ny fiavahany amin'ny fanagiazana
     Manana ny fiavahany amin'ny faneriterena
   Fa mahalala ny fatran'ny fahalalana kosa sy mihataka amin'ny gaboraraka


Sambatra ny olona tsara sy ampy fifehezan-tena
   Ka mampihatra izany araka izay ananany eo amin'ny fiainany.
Ho voarombany ny amboaran'ny fahononam-po.


Tsy atoro ianao fa tsy afa-po ny olona na dia eo anivom-pahafinaretana aza !


Sambatra ny olona mahatazona ny fifehezan-tena ao aminy
     Tsy be fanontaniana loatra intsony amin'ny hoe :
          Fa dia nahoana loatra ?
                    na
          Fa maninona ary ?
Fa efa mahafantatra kosa ny tokony ataony izy
Ary mahafantatra ny lalana tokony hodiaviny mandritra ny fiainany manontolo.



Dinidinika anaty teo am-pandinihana ny fanombohan'ny salamo 119, taona 1995

-72-
 

Aucun commentaire: