6.7.12

Tezitra Izy?

Nataony ihany ny mody tsy sosotra
mody tsy sosotra
saingy tsikariny ve ny fivoaky ny molotra
miha-montotra?
... Tezitra izy.

          Indray mitopy maso zary tsirihina
          toa tsy maninona
          saingy raha  nodinihina sy nokitihina
          hay tsy tohinina!
          ... Tezitra izy.

Oviana na taiza aho no mba nitrerona
hoy ny ambetin-teniny
nefa izato feony efa mierongerona
tsy mba noheveriny
... Tezitra izy.



Jentilisa
18 janoary 1995


-70-


Aucun commentaire: