5.7.12

Fa Iza Loatra?

Fa iza moa ianao iny?
no nahahendratra fijery
nampibaradaka fiteny
nampangovitra ny molotra
izay ambara mila ho votsotra
fa tafaharo ranoiray
tsy misy faingo, tsy misy teboka
ny teniko
fa haingan-doatra
raha ny am-po mandroatra
no haloatra?

        Fa iza moa ianao iny?
        no nampanjary nahalemy
        ny hambom-po zatra memy
        nampiaka-tosi-drà
        sy nahatoro ny fanahy
        nahataitra ny tsy tandrina
        nahagorobaka ny tenda sy nahatsemboka ny hadrina
        nahavoritra ny tetika
        nampahadiso ny fihetsika
        be ny hafa-tiana alefa
        ampitaina tamin'izay
        fa ny lela... tsy nahefa

Fa iza tokoa ianao iny?
no zary lasa ambetin-teny
tadiaviko ombieny
hojerena eny ho eny
amin'ilay lalana iny
ka toa mirenireny
raha tsy mifanena aminao
amin'ny andro nofinidy
sy amin'ny ora efa tadidy?

        Misonanina ny saina
        fanimpanina ny loha
        te-hiarina ny fo
        fa savolanina ny aina
        dia nosinganina ny hoe
        hilamindamim-pitsikiana
        sa hihamikamin'hakiviana?
        ny ho avy no hanambara
        izay ho tohin'ny tantara
        hamarara
        sa ho tsara?



Jentilisa
27 jolay 1996


-69-

Aucun commentaire: