21.6.12

Vato

Nisy vato izay natolotra
mety nahamay ka nandoro
nanapoaka romoromo

Nisy vato izay narotsaka
fa izany no fomban-tany
mba ho fantatra izay lany

Nisy vato atao fototra
ho mpitana tsy hampikoro
dia ny vato fehizoro

Nisy vato moa natolotra
nofonosina manokana
mba ho mamy ao am-bava

Nisy vato koa najoro
manambara ny efa lasana
hotsaroana lalandava

Nisy vatobe tsy tototra
tsy niteny tsy mba rototra
na hotaingenam-borona aza

Nisy fitiavana ao anaty
tsy hiala tsy hiongotra
fa efa nofonosim-bato

Aza atao ho tsy tanteraka
tahaka an'Ambatobevohoka
andrasana tsy mety teraka

Fa tsy mety ny mitora-bato
itony hazandrano efa azo
fa voafandriky ny harato

Fa tsy mety ny manifikifika
ny tanana mitsotra
maniry anao ho fiarahako mizotra


Jentilisa
26 jolay 1993


-55-

Aucun commentaire: