28.6.12

Tso-Drano

Manify hara
nefa tso-drano
izao no ambara

Tsy hisahato
fa maniry anao
ho tojo ny kanto

Ho sendra ny soa e!
ho finaritra kokoa
noho ny taloha

Mahità tsara
ny ho avinao
hangarahara

Tsy ho resim-positra
fa hisondrotra hatrany
ho olom-boahosotra

Eny, mazotoa
hanam-panantenana
hihangihangy soa

Ary hahazo ny amboara
sy ho olo-malaza
voarakitra an-tantara


Jentilisa
19 febroary 1993


-62-

Aucun commentaire: