1.6.12

Tomaboha na tamaboha

kilalao
sarisary
soritra saribao
vato maromaro
no mpandray anjara


Ny akany fodiana
na efi-pivoriana
toera-piompiana
tokotany nisangiana
samy hita tsy nisy nariana


Na i dada
sy i mama
ry ramose
na madama
tsy adinoina ireo mazàna


Namana
havana
iray tampo
olom-pantatra
tantaraina avokoa


Ireo rehetra ireo
sy ny hafa koa
no miresaka eo
miampikatro-doha
fa nampitenenina ireo tomaboha


Ny zava-nirìna
ka nitomaniana
izay azo nifaliana
na nifamaliana
eny, mbamin'izay nihafiana


Ny hatezerana anaty
ny latsalatsa izay tsy tanty
fahatsiarovana tsy maty
no henonao sy hitanao
ambaran'ireo tomaboha
 
jentilisa
23 novambra 1993
 
 
-35-

Aucun commentaire: