29.6.12

Tarafi-Masoandro Mibaliaka

N'inona hidona
ho tsaroana
Ilay andro izay nihaonana

Nihaona
sy nimaona
Nefa nampitsiry ny fitiavana

F'ilay fitiavana
no niniavana
hihoarana irony sakana

Na ny sakana
na ny bahana
no vao maika nanome vahana

Ny vahana
dia ny iarahana
Ny lalam-bita isitonan-tsikitsiky

Hitsikitsiky 
eny isika
Tarafi-masoandro mibaliaka



Jentilisa
1 novambra 1992


-63-

Aucun commentaire: