24.6.12

Ny lalan-kaleha

Amin'ny voalohany
    misy ny toerana
        Ilatsaha-tavòny

Efa noferana
    fa ny tomany
        no iarahabana ny tany

Tafian-damba
    tsy misy hambahamba
        ho sambasamba

Trotroina ery
    sy rotsirotsiana
        sao lava tomany

Mihiratra kely
    fa te-hizaha
        ireo maso mijery

Dia vaky hehy
    vono-kisedra
        ny zava-drehetra

Miarin-doha amin'izay
    hiezaka mihitsy
        tsy hitaredretra

Dia iny mandady
    ho tonga ihany
        amin'izay hotratrarina

Ho tafari-kijoro
    tanjona imasoana
        ny handrosoana

Ka mitandrema r'ise
    fa mbola lavitra anie
        ny lala-kaleha


Jentilisa
30 jona 1993


-58-


Aucun commentaire: