12.6.12

Ny dina ifanaovana

Raha amin'ny fiainako eto an-tany
ianao irery ihany no aina
mamelona indray ny fanahy saiky maina
nanome hery ilay fo nitaraina
manaitra izato foko, nandrisika ny saina
eny e! tsy hay faritana raha izany no lazaina

Ianao anie ry tiana
ilay hany olo-tokana izay nofidiana
tiako itantarana ny gejam-pahoriana
sy iaraha-manandratra ny hehin-kafaliana
tsy misy olon-kafa fa ianao irery ihany
ianao no fiononako raha toa aho mitomany


Tiako raha ny fontsika no miara-mitempo
miara-manina sy miara-misento
eny fantatrao
tao aminao rahavana
no nahitako fitia iriko tsy ho lany
ka ny fandalovana ety hiarahantsika hatrany


Adala angamba ny fihevitrao ahy
tsy isalasalako izany ary tsy misy ahiahy
eny efa fantatrao
tsy voafehiko intsony izay tokony atao
tsy mampaninona raha izany
satria ny hiadaladalako ianao irery ihany


ny foko mihitsy no manome toky
ny teny omelo tsy tenim-boloky
fa raha ny finoako
tsy hohelezin'ny rivo-mifofo
sady tsy hiova ho tsy hety hiofo
ny dina ifanaovana tsy misy soloky


Jentilisa
7 desambra 1992

PS: Notakarina avy amin'ny Endless Love; Lionel Richie sy Diana Ross


-46-

Aucun commentaire: