3.6.12

Mitambatra ho iray mandrakizay

Isika izao mitambatra ho iray
fa ny firenena dia iray
isika izao mitambatra ho iray
raha ny teny dia iray
mitambatra ho iray mandrakizay


Isika izao mitambatra ho iray
fa efa tinendrin'ilay Nahary
isika izao mitambatra ho iray
na dia miefitra toa hasim-boasary
mitambatra ho iray mandrakizay


Isika izao mitambatra ho iray
na izy na ianao samy namana
isika izao mitambatra ho iray
ndao isika rehetra hifampitantana
mitambatra ho iray mandrakizay


Isika izao mitambatra ho iray
miara-mamindra sy miara-mikalo
isika izao mitambatra ho iray
eo am-panosehana ny fahavalo
mitambatra ho iray mandrakizay


Jentilisa
27 jona 1993



-37-

Aucun commentaire: