23.6.12

Miasà, Mivonòna

Poezia voarakitra sy voatahiry voalohany indrindra voasoratra tany Antsirabe toerana nahaterahana ihany koa.



Miasà ka miasà
hivelona sy hiahy
no tarigetra ho ahy
    sy ho anao


Avia manatòna
Sahia, mivonòna
samia mitoloma
    ankehitriny izao


Ireo tsy hanao raha
mialà, dimby ireo sahy
izay reraky ny saha
    mikisaha...miroso ny hery vao


Anatra ho taratra
tsy hangalatra
fa hisasatra
    hanajary an'izao tontolo izao


Jentilisa
Antsirabe - Septambra 1990


-57-

Aucun commentaire: