11.6.12

izaho sy ianao

Tsy izaho irery
fa ianao koa nijery
izaho nisarika
ianao no nitarika
        aoka ry lala
        fa ady sahala


Tsy ianao irery
fa izaho koa niery
ianao mankahala
izaho tsy te-hahalala
        aoka ry lala
        fa ady sahala


Ela ny ela
samy vonton-dranomaso
raha nifanena
nifampiantso andraso
        aoka ry lala
        fa ady sahala


Ianao amnotana ravaky ny tanàna
        mahatamàna
izaho ombalahy endriky ny kijàna
        vonon-kitàna
            aoka ry lala
            fa ady sahala


Jentilisa
16 novambra 1993


-45-

Aucun commentaire: