19.6.12

Fy

Fy
raha ny hiranao
no milaza ny fitia

Fy
kalo no natao
haharitra ho doria

Tsy kilalao
ny fitia
natolotro anao

Andao
hihira ny fitia
sy tsy hifandao

Fa ny fitia
ho ahy sy ho anao
no hanitry ny aty

Fy
raha izao tontolo izao
no mahay miara-dia


Jentilisa
7 janoary 1993


-53-

Aucun commentaire: