26.6.12

Fiainan-dramiaramila

Na alina leitsy na andro
na dia tsy nisy akory nahandro
rehefa antsoina dia izaho izay
no fiainan-dramiaramila

Na kamo ialahy na vonona
fadio leitsy ny mimonomonona
rehefa antsoina dia izaho izay
no fiainan-dramiaramila

Satria raha manompo firenena
tsy misy ho tompon'ny tena
rehefa antsoina dia izaho izay
no fiainan-dramiaramila

Raha misy ny fotoanan'ny rotaka
ny besinimaro mivoraka
nefa raha antsoina dia izaho izay
no fiainan-dramiaramila

Baiko tanterahina eo noho eo
efa andrasan'ialahy rahateo
tsy mahazo mandà mihitsy hatreo
no fiainan-dramiaramila

Hajao aho hanajako an'ialahy
ka na inona herin-drangahy
tanteraho ny baiko raha sahy
no fiainan-dramiaramila

Tsy misy sedra tsy laitra
miaritra ny tena mafaitra
F'aoriana atao tsy mahataitra
no fiainan-dramiaramila

Raha ny marina no tiam-pantarina
fotsy ny lokon'ny arina
fa mainty rehefa fongarina
no mbola iainan-dramiaramila


Jentilisa
3 marsa 1993


-60-

Aucun commentaire: