22.6.12

Fa izaho eto ihany

Aza maminany
izay zava-dratsy any
aza mitomany
zavatry ny tany
F'izaho eto ihany
Miravoa
ho antsika roa


Fitsikiana
ny hafaliana
no hobiana
fandresena no toriana
eo akaikin'olo-tiana
Miravoa
ho antsika roa


Eto an-tany
zava-poana ihany
raha tsy misy idealy
entina mifaly
sy miaina
antenain'
ny fo sy ny saina


Jentilisa
Antsirabe - Septambra 1990

-56-

Aucun commentaire: