6.6.12

Ety an-tany

Ny fahoriana
anoloana
nampijaly
mbola hivaly
ho tsaroana
aoriana


Raha resy
nogejaina
hampitroatra
te-hivoatra
antenaina
mbola handresy


Fa ny tomany
mbola hisava
ho lasa tsiky
hampamikiviky
hanavatsava
ety an-tany


Jentilisa
14 febroary 1992


-40-

Aucun commentaire: