27.6.12

Endrikao

Tsy mba sahirana akory
izato endrikao mirana
toa sitraka enti-matory

Zary namaly tsy nahy
ny anatry ny endrika faly
nampisinda ny ahiahy

Lamba fotsy halan'arina
ilay endrika nandrotsirotsy
tsy nahazoako ny lanitra hotakarina

F'izaho maro olana teo
handia ilay aizin-toreo
no nisioka ny alin-diavolana


Jentilisa
8 janoary 1993


-61-

Aucun commentaire: