7.5.12

Vorondolo


Onena ny foko ary ny saiko dia vaka
f'ilay vorontsoa mba mendrika ho tabiha
no andosirana sy tsy misy mpitia
                Vorondolo io rahavako.


Tsy rariny lahy raha ny voromora
no amoronan-dainga sy hampielezan-tsaho
mba hovonovonoina sy atao maty kora
                Vorondolo io ry namako.


Nahoana izy ireny no ampijaliana
f'angaha  ny fisiany no manorisory
no dradraina ho rangory no atao hoe fongory
                Vorondolo no ambarako.


Nefa lazaiko sy atao antso avo
Foto-tsakafony anie ireo mpandrava
Tsy inona izany f'irony karazam-boalavo
                Hoy ny hevi-tsy tanako.



Jentilisa
21 mey 1993

Aucun commentaire: