23.5.12

vato fanorenana

Miditra am-birao fa ampy taona sy vonona
ka sombin-taratasy maro ao no angonina
nefa ny iray amin'ireny ihany no nofidiako
taratasy toa milaza fa izy irery izao no tiako


Rehefa natsofoka ary ilay taratasy nofinidy
taratasy tokana ihany ho fanefana ny adidy
dia arotsaka amin'izay ary tsy hasiana hajia
alatsaka am-bata iny vao izay mamita ny sonia


Vato, hono, iny! ... eny e! iny no anjara biriky
vato narotsaka satria antenaina hisian'ny tsiky
fa ny vato voatambatra no ho vato fanorenana
fanorenana iriana hitondra fanarenana


Jentilisa
15 jona 1993


-26-

Aucun commentaire: