24.5.12

Vary no tiako

Vary no tiako
fa tsy mofo dipaina
satria nokarakaraina
tato amintsika


Vary no tiako
fa manome toky
ho hani-mahavoky
sy andrim-pisiako


Vary sosoa
vary ampangoro
no enti-mijoro
sy iasana koa


Vary maraina
vary atoandro
vary isan'andro
tsy mampalaina


Fa vary ilaofana
izay mitafotafo
dia efa sakafo
sarotra ilaozana


Jentilisa
6 desambra 1993


-27-

Aucun commentaire: