30.5.12

Teny tokana, teny roa, teny telo

Teny tokana
manokana
teny iray
dia izay
fandre
ny hoe
tiako


Teny roa
tsy ho lò
tsy somonga
no tonga
fa avy am-pò
tokoa
tiako ianao


Teny telo
hampamelovelo
voasokitra
no atolotra
ho tsaroana
foanafoana
tia anao aho


Jentilisa
19 jona 1993


-33-

Aucun commentaire: