29.5.12

Raha notefena...

Raha notefena
hanompo firenena
ny ratsy tsy ekena
fa ny soa no jerena

Raha notefena
hanompo firenena
tsy mila manantena
vola be ho valim-babena

Raha notefena
hanompo firenena
ny filibana horesena
ny sitra-po ahena

Raha notefena
hanompo firenena
tsy ho fanosihosena
no hangoronan-karena

Raha notefena
hanompo firenena
ny hery no omena
hahatò ny fandresena


Jentilisa
28 janoary 1993


-32-

Aucun commentaire: