4.5.12

Raha miaraka isika roa


Efa noheverinao ho fahatsiarovana sisa
Ny visavisa hianoka paradisa
Dia ny ranomasonao no nakorisa


Efa niainanao fa raha eto an-tany
Na ny fahiny na ny ho avy izany
Tsy tafala avy hatrany ny vinany sy tomany


Fa ampitaiko aminao fa mbola misy vetsom-po
maniry ny hahita anao sy hilaza izao teny izao koa
Fa maninona moa raha mba miaraka isika roa?


Jentilisa
21 septambra 1992

Aucun commentaire: