12.5.12

Ny Fisalamoana voalohany

Sambatra ny olona sahy mandà
ny hevi-petsin'ny ratsy fanahy
Sambatra ny olona tsy mankasitraka
ny laingalainga sy ny fitapitaka,
ny riban'ny mpanota tsy ataony maodely
fa ny didin'IKAKY no arindra tsikelikely,
ny famindra-pony no ijoroana
Ka ny zanaka nirahina no antsoina.


Sambatra ny mitandrina ny nobinaiko
na sarotra aza izany hampikaikaika
satria ny finoana ahazoana famonjena
no sahy isedrana toa volamena
ny tenin'IKAKY no angala-tsoakevitra
sainina hatrany sy mahabe eritreritra;
Angataha-piarovanaamin-talaho
Ilay Kristy Zokiny raha misy raorao


Ny fitiavan'ny Tompo no karohiny
ny soa avy aminy no ho fisotrony
satria IKAKY no loharano
mamelon'aina ireo ombàny;
ny mana-pinoana marina maneo fifaliana
isaky ny mahazo fitahiana
izany izy jerena ka velom-bolo
ny ataony rehetra vanona daholo.


Fa lozan'izay tsy ampy finoana
very hevitra aok'izany raha vao voadòna
ny fampianarana angamba noraisiny ihany
saingy ny tenany kosa be fisalasalàna
satria tsy mijery afa-tsy ny hita maso
ka mora lavin'ny ankaso
fa toa manjakazaka hatrany hatrany
ireo fatra-pifikitra amin'ny fiainana an-tany.


Ny mpirehareha kosa tsy ho voatsitsy
tsy andeferana fa meloka mihitsy
mihevitra ho ambinina ka dedadedaka
nandritra ny fiainany tsy nety nibebaka
ny fananany ihany no nilainy
ka IKAKY avy no tsy nohajainy
noho izany tsy maintsy voasaraka
tsy afa-miharo amin'ny tena mpivavaka.


Fantatr'IKAKY foana ny tena mpivavaka
Fantany izay notarihiny sy narovany
ka andrasany tsara tsy hijabajabaka
satria ireo no atsangany ho mpandòvany,
Saingy izay mitondra finoana mamarara
no toy ny ondry tsy mety andrasana
ka any amin'ny faran'ny tantara
ny kibon'ny bibidia no ataony fasana.


Jentilisa
1995 (notsoahina avy amin'ny salamo voalohany)

-17-

Aucun commentaire: