17.5.12

Ny Anaranao no tiako ho anarako

Ny anaranao no tiako ho anarako
anarana enti-mandravaka
ny resaka izay ifanaovana
anarana manototra lavaka
hampitambatra ny tena fitiavana


Ny anaranao no tiako ho anarako
anarana enti-manavaka
voasoki-panahy tao anaty
anarana tsy mahasaraka
mbola entina rehefa maty


Ny anaranao no tiako ho anarako
anarana natao hitovy
tiam-bentesina foana
anara-tsy mety ho fanova
mampiaina ny firoandroana


Ny anaranao no tiako ho anarako
anarana itatazana ompa
avy amin'ireo mpankahala
anaran'ny Tompon'ny tompo
nefa fiantsoko ataoko malala


Jentilisa
1994


-20-

Aucun commentaire: