19.5.12

Nikatsaka

Nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra aho
      ary hitako fa misy tokoa izany:
nanontany ny amin'ny fahamarinana aho
      dia novaliany ny rariny indrindra
nitady ny filaminana aho

      dia nanehoana ny fampihavanana
nihazakazaka ny fitiavana aho
      fa nabonoka ahy ny hafanana
nitolona ho amin'ny toetra mendrika aho

      ka niaritra fisedrana mahamay
satria raha nitaky ny hisian'ny fanovana
      dia nitsena fanoherana
nefa raha nifikitra tamin'ny tarigetra
      dia nanamboaram-po mazoto
niandrandra hahazo fahalehibiazana aho
      fa nomena fo mazoto
nangetaheta toro-hevitra aho
      ka nisotro fahendrena
vao nieritreritra ny ho aviko aho
      hay nanampy ahy avokoa ireo rehetra ireo
Dia asandratro ho avo ny amboara
      hahatazonako ny fandresena


Jentilisa
6 septambra 1996


-22-

Aucun commentaire: