21.5.12

Misy ny Bitsika

Misy ny bitsika
ny ampitso ho vanona
mba hampaharisika

miara-miriaka
tsy hahajanona
ny karaza-tsarîko

Velomy ny hiaka
handeha avokoa
tsy hisy hipìka

Ny tanjotsika
fitodian-tsoa
ny eto anivon'ny riaka


Jentilisa
6 desambra 1993


-24-

Aucun commentaire: