26.5.12

Miomàna

Ho avy ny Tompo e ka miomàna
ny vato misakana mety hanjera
        ndeha horavana
        ilay fisalasalana


Sakano tsy hiditra ny fireharehana
bahano mihitsy ny fampiasan-kery
        hanjakazakana
        hahazoana ny tany


Fehezo ny tena tsy ho resim-pilàna
aza mety adalaina ho voafita-pijery
        ka hitady handala
        azy ihany mazàna


Ho avy Jesoa ary ka miomàna
Izy akory tsy hamela ho very
        ireo mavesa-pahotàna
        tia hiova fitàna


Jentilisa
12 desambra 1993


-29-

Aucun commentaire: