22.5.12

Lazaiko izao

Lazaiko izao :
ny endrika sariaka
iza idray no tsy hilaza
hoe tsy misy tomika
no anananao?


Lazaiko izao :
raha jerena izato bika
iza no tsy hendratra
hampirongatra ny sioka
milaza ny hasoanao?


Lazaiko izao :

ny famindra izany iky
fa na ny olo-masina aza
ho tafavadika hibirioka
raha tafaraka aminao
 
 
Lazaiko izao :

na vaventy na madinika
manambady sa mpitovo?
dia tsy maintsy mijajirika
rehefa andalovanao


Lazaiko izao :

na polisy na ny jirika
mana-tanjo-tsy miova
na miantso na mikitika
hampiherika anao

 
Lazaiko izao :

toa vahoaka indray mihiaka
fa na izay saro-kenatra aza
na koa olona masiaka
indreo no hita mihaohao

 
Lazaiko izao :

tsy hitanao ny fivontirik'
ireo mpialona anao
mampihomehy koa ny fisitrik'
ireo izay mety ho rafinao.
 
 
Lazaiko izao :

fa na maro aza ny takoritsika
te-handresy lahatra anao
dia fantaro ihany ny bitsiky
ny fitiavako anao.
 
Lazaiko izao :
ny foko koa mba te-hisisika
hiara-hiaina aminao
fa mahasoa ny mifandrisika
amin'izao fiainana eto izao.
 
 
Jentilisa
4 avrily 1993
 
 
-25-

Aucun commentaire: