25.5.12

Lasam-binany

Lasam-binany
    Rabefisentoana
        ny tenabeny eto foana
            fa ny fony, hono, any.

Antsoiny mafy
    Rafaharetana
        ho fotoa-miserana
            ny rivo-mifafy.

Rafanenenana
    nohalaviriny koa
        fa mahakanosa

Indro trotroiny
    Ifanantenana
        mba ho tamàna


Jentilisa
28 jona 1993


-28-

Aucun commentaire: